Ny Gazety:
Tao anatin’ny tambatr’orin’asa JURECO ny Radio Feon’Imerina tany am-piandohana, ny Gazety Feon’Imerina no efa nialoha lalana azy ny volana novambra 1993.
Ny onjam-peo:
Haneho amin’ ny alalan’ny feo ny asa efa natombokin’ny Gazety Feon’Imerina an-tsoratra no asany. Analamanga FM no anarana nahazoana ny fankatoavana avy amin’ny fanjakana saingy noho ny tsy fahatomombanana teo amin’ny lafiny ara-pitaovana dia tsy mbola nandeha. Nivoaka ny RTA izay nampiasa avy hatrany ny anarana hoe “Analamanga” tamin’ny 1996. Nanapa-kevitra ireo mpitantana fa ”Feon’Imerina” no anarana entin’ny onjam-peo amin’ny mari-drefy “101.6 Mhz”.
Ny Zoma 17 jolay 1998 no nanao ny andrana teknika voalohany ny Radio Feon’Imerina.
|